Izaho dia mivarotra entam-barotra ankapobeny, vokatra ilaina andavanandro sy kojakoja madinika. Nanao izao asa izao aho nanomboka ny taona 2004. Nanomboka ny fiaraha-miasa tamin’ny AccèsBanque kosa aho ny taona 2007, izany hoe 10 taona katroka izao. Tany am-piandohana, nanan-tahotra izahay ny amin’izany hoe handeha hitrosa izany, saingy ny fifandraisana nahafinaritra teo amin’ny Accès Banque no nanome antoka anay.  Raha toa ka nanodidina ny 100 000 Ar teo ho eo ny sandan’ny entam-barotra novarotanay teo am-panombohana, amin’izao fotoana izao dia azo ambara fa efa tsy manana fahasahiranana intsony izahay. Izaho sy ny vadiko no niara-nisalahy tamin’ny fitantanana ny tsena ary ankehitriny  dia efa mampiasa olona telo izahay.

 

Ny antony nanosika anay hiditra ho mpanjifan’ny Banky, dia ny fahitana ny tolotra omeny mahakasika ny fampindramam-bola. Nanomboka nanao trosa teo anivon’ny AccèsBanque izahay ary nanokatra kaonty tahiry. Vokatr’izany, afaka nanitatra ny asa natao izahay ary nanatsara ny fari-piainana noho ny tolo-tsaina sy ny kalitaon’ny servisy nomeny, tena mahafa-po tanteraka ny miara-miasa amin’izy ireo.

 

Tany am-piandohana, dia nampiasainay tamin’ny fampitomboana ny entam-barotra amidy sy ny fividianana ny toeram-pivarotana ny vola notrosainay, teo aloha manko dia mbola mpanofa ny toerana izahay saingy ankehitriny kosa efa lasa tompony. Mbola nahavita nanorina trano ho anay koa izahay. Noho ny tahiry natao, lasa nanana fahafahana nividy vata fampangatsiahana iray, vata fampivainganana iray ary nivarotra vokatra vaovao. Tena lafatra ny fiainanay noho ny fisian’ny Accès Banque, ary mandry fehizay ny saina aman’eritreritra. Manana tetik’asa aho amin’izao fotoana izao hanorina Trano malalaka sady goavana (toerana fandraisana mariazy, seminera, sns…) ary mba hahafahana manatanteraka izany, dia mikasa ny hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny Banky aho, satria tena tsapako fa nanatsara ny fari-piainako sy ny arak’asako ny fisiany. Tena tsy nanary ahy mihitsy tamin’ny tetik’asa novinavinaiko ny Banky. Andrandraiko amin’ny AccèsBanque ny hitohizan’ny fifandraisana mahatoky.